TATITRY NY FIHAONANA VOALOHANY 29 MARS 2010
mars 30th, 2010Mbola faly miarahaba antsika rehetra hatrany izay afaka mitsidika ity blog ntsika ity.
ity no tatitry ny fivoriana voalohany natao teny Antsofonondry Sabotsy Namehana ny 29 Mars 2009 lasa teo:
ireo tonga nivory sy nahatonga solontena:
Dadatoa Randria mianakavy
Toutou Ndine , Naivo mivady sy ny zanany, tsy afaka ny ambiny noho ny antony tsy fahasaman’ny ankizy izay efa nitondran’ny solontena fialantsiny.
Dadatoa Doudou sy toutou Dely ary ny zanaka aman - jafiny.
Nenifara RAVAOMIHAMINA dit Fara sy zanaka aman - jafiny
Ny ordre de jour:
Fifankahafantarana misimisy kokoa eo amin’ny ankizy sy ny lehibe
Fiarahabana ireo ray aman - dreny nahatratra ny tonontaona sy fanolorana solom - bodiakoho.
fanatanterahana ireo adidy voarakitry ny fitsipika hifampifehezana eo amin’ny fikambanana toy ny fanatanterahana nyfamangiana manjo (Famille Ravaomihamina) very ray niteraka,ny fiarahabana tera - bao (Andry & Rina) nahazo lahy kely.
Ankoatr’izay dia niroso tamin’ny dinik’asa izay hoentina hampiroboroboana ny fikambanana ary koa ho fifampitsinjovana eo amin’ny tsirairay manoloana ny fahasarotan’ny fiainana.
nodinihana tamin’izany ny hampiasana ny tany any ambanivohitra hanaovana fiompiana omby sy akoho manatody lava sns…
tapaka ary fa tsy atao resabe izany rehetra izany ka dia nifamotoana indray rehetra, ary hanasana antsika izay tsy tonga mba ho avy amin’io andro io satria dia hiasa tokoa isika.
Ny 30 Mai no tapaka hidinana miaraka any ambanivohitra, ny fanamafina ny programa dia ho fantatsika miandalana eny ihany.
nahafinaritra ny fiarahana tamin’io ary inoana fa mbola hahafinaritra lavitra hatrany ny fiarahana manaraka.
izay no tatitra kelyl azoko lazaina, ny fotoana koa vonjivonjena iany.
mametraka ny veloma finaritra ho antsika rehetra.
hoby